<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>He, izany hira manako re FFPM541</title>
<lyrics>[V1]
 He, izany hira manako re !
 Ilay zaza very tonga
 amin-dRay
 He ! faly faly izay mandre :
 Ilay efa maty velona indray.

[V2]
 Indro ny Rainy lasa nankao,
 He ! fa miteny : « Peratra soa,
 Soloy ny lamba, kapa alao »
 Ilay efa maty velona indray.

[V3]
 He, izany hoby an-tranon-
 dRay !
 Fa voavonjy ilay nania ;
 Hobio ry tany sy lanitra !
 Ilay efa maty velona indray.

[V4]
 O, ry anjely an-dapa soa !
 Miraisa hina hanandra-peo ;
 Aza mangina, fa mba lazao,
 Ilay efa maty velona indray.</lyrics>
<hymn_number>541</hymn_number>
</song>